4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hono hoa dada - Jean-Pierre Haga

Hono hoa Dada lazao anie
Maninona I Dadabe Noely
No mitafy matevina be
Nefa ny hafanana mamely ?
Noheveriny fa hangatsiaka
Mandritry ny tournée
Izy tsy mahay ny aty amintsika
Fa Dadabe importé.

Hono hoa Dada mba lazao
Maninona I Dadabe Noely
No manadino tsotra izao
Ny 4’mi an’Analakely ?
Ny mafy ady tsy ilainy
Sady maloto no tsy mino
Manahirana ny sainy
Ka nalehony nanadino.

Fa maninona I Andriamanitra
No namorona ny moka
Ny kalabe, ny lalitra
Sy ireo biby fokafoka ?
Ny biby tena ratsy tarehy
Dia nataony indray mipika
Ahafahantsika mirehareha
Hoe ny olombelona no tsarabika .

Hono hoa Dada f’inona kay
No mampalaza ny bois de rose
Ohatran’ny hoe tena milay
Raha henona aloha ny kôzy ?
Io ilay hazo mampianjera
Mampidoboka ny gisitra
Izay mba te ho milliardera
Nefa tsy nividy minisitra.

Hono hoa Dada maninona moa
No bedy aho tany an-tsekoly
Nanome bâ kely an’I kala Soa
Tamin’ny lera fialam-boly ?
Tsy azo atao ny mifankatia
rehefa anisan’ny kely indrindra
Nefa tsy bedy ialahy leity
Raha milalao migidragidra.

Rahoviana a no ho lasa olon-dehibe
F’efa leon’ izany hoe ankizy
Ka mba maika ny andeha
Amin’ny fiainana tena izy ?
Raha za ialahy aleko tsy maika
Mafy anie izany hoe olon-dehibe
Tsy maintsy mihogo tsy maintsy misaika
Tsy maintsy miasa ary manabe
tsy lany lainga tsy lany paika
mba hamalina an’ise.

Partager hono hoa dada

Commenter hono hoa dada

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jean-Pierre Haga