4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mpivahiny - Lolo sy ny Tariny

Ilay bandy niady taminao

Nilaza fa hoe hilalao

Ka tsy mila hafatotrao intsony  



  Sarotra ny mitazona azy

  Izy manakatra havo be

  Ianao indray no toa resy sy lavo(bis)



Nisy mpivahiny iray

Teo ambaravaranao

Ianao nitsiky sady nampandroso



  Toa fenofeno ny fonao

  F’izy nanome toky hoe

  Haniry hitoetra anilanao foana(bis)



Ny masony kanefa toa

Mangalatra fijery sy

Mibanjina ny varavarankely



   Saroman’ny fitiavanao

   Ny zavatra tadiaviny

   Sakananao ny rivotra iriny(bis)



Omaly tao ampaosiny

Dia nisy taratasy iray

Nilaza f’izy handray ny voromby



   Ianao tsy tokony hitomany

   F’efa hatrany ampiandohana

   No fantatrao fa mpivahiny any izy(bis)



Irery ianao izao maraina

Izy nahazo izay nilaina

Irery ianao mamboatra ny fandrina



   Tsisy tavela intsony ange

   Ny resaka sy vazivazy

   Ny zavatra ny tantara momba azy(bis)



Nisy vahiny tonga indray

Teo ambaravaranao

Ianao nitsiky sady nampandroso

  

   Fa fenofeno ny fonao

   F’izy nanome toky hoe

   Haniry hitoetra anilanao foana(bis)



Omaly tao ampôsiny

Dia nisy taratasy iray

Nilaza f’izy handray ny voromby



   Ianao tsy tokony hitomany

   F’efa hatrany ampiandohana

   No fantatrao fa mpivahiny any izy(bis)



       Fa izy ange ka mpivahiny ihany

Partager mpivahiny

Commenter mpivahiny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny Tariny

Suite