4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mpinamana izahay - Henri ratsimbazafy

Zandry no fiantsoako azy
rehefa mifamazivazy,
'zaho raisiny ho zoky
fa sakaiza mahatoky,

ilazany ny manjo,
adin-tsaina, adim-po,
angalany toro-hevitra,
mampitony raha tezitra.

'Zay rehetra ao an-tsainy
avy dia tantarainy,
hafaliana, alahelo
ary ny tsiambaratelo.

Raha misy olon-tiany
'Zaho no anontaniany,
ny hevitro no tadiaviny
amin'olona ho tiaviny.

            Satria mpinamana izahay
            nifankatia, nifankahay,
            dia tena toy ny tena iray
            miova tsy zanaka sy ray.

Kanjo indray hariva izay,
raha niresaka izahay
tonga ny fakam-panahy
ka nanitikitika ahy

Nofo ihany moa ny tena
ka nampiasa hafetsena
hamborahana fitia
kanjo, zendana aho satria :

alahelo, hagagana,
ranomaso be tsy tana
no nandrakotra ny tavany
nanehoany ny fandavany

Teo aho,vao very saina,
tsy nahita holazaina,
tsy afa-nanamarin-tena,
gina, nangenahena.

Satria mpinamana izahay,
nifankatia, nifankahay
dia very namana aho satria
nivolambolana fitia.

Partager mpinamana izahay

Commenter mpinamana izahay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite