4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mpanjaka antandroy - Lolo sy ny Tariny

Nisy Mpanjaka antanàna Antandroy

Niteraka zaza kambana roa

Ny reninjaza efa maty nafohy

Nandao ny tany mialoha



   Ny Dadabe,dadaben’ny tanàna

   Mpanolotsain’ilay Mpanjaka be

   No niandraikitra ny fitaizana

   Nanao izay nahalehibe



Nampianariny nangalatra omby

Raha tsy izany tsy zanak’Androy

Nampianariny nampiasa ody

Raha tsy izany tsy zanak’Androy



   (Taranaka tena Zafimanarana izy

   Taranaka tena manana tantarany izy)bis



Tonga vahiny,vahiny tandafy

Nitondra fomba fitaiza hafa koa

Fomba fisainana,fomba fitafy

Fomba nanova ny loha



   Nisy ny hendry tsy mba nino lainga

   Fa nankasitraka an’i Dadabe

   Ny iray kosa dia lasa nanainga

   Nentin’ilay vazaha be



Nampianariny nitana basy

Hiazana ny zanak’Androy

Nampianariny ny fomba ratsy

Hamonona ny zanak’Androy



   (Tsy isan’ny tena zafimanarana izy

   Lendaty tsy mety mino ny tantarany izy)bis



Tonga ny andro fangataham-bady

Araky ny fombafomban’ny tany

Lasa ny endry nizaha Omby tany

Hatao takalom-bady



   Ndrisy fa sendra ny andiha-miaramila

   Tao ilay Ndaty kambana aminy

   Nifampijery nifampihila

   Nitraka ny Basiny



Dia nasiny ny mpangalatr’omby

Basy lava sy ny basy fohy

Ka namaly ny mpangalatr’omby

Tamin’ny pilotra sy lefom-pohy  



   (Taranaka tena Zafimanarana izy

    Taranaka maty teo ampiadina any izy)bis



Nisy Mpanjaka tanàna Antandroy

Nisaona ny zazakambany roa

Maty ny zanany, maty nafohy

Niady ka dia samy voha



   (Tsy hitomany tsy hikika izy

    Raha tsy izany tsy zanak’Androy)bis  



(Taranaka tena Zafimanarana izy

Namohy ny dimby sy namohy ny farany izy)bis

Partager mpanjaka antandroy

Commenter mpanjaka antandroy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny Tariny

Suite