4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitia - Lolo sy ny tariny

Fitia feno tsy mba nanalana
Io no natolotro anao
Ka ny ho sambatra no fikasana
F'efa eo ankaikinao

Hay ny fonao misy efitra
Tany ambadika tany
Ka na nataoko aza ny handefitra
Toa tsy ho tantiko izany

(2fois): Azafady aho fa hiala aminao
                Na dia efa maro aza ny efa natao
                Fa raha fitia tsy matotra
                Aoka sao mamatotra

Raha tsy niteny aho dia angamba ho diso
Fa ianao no mafy loha
Fitia avy koa hatao risoriso
Iza no nanam-po

Reo teny-mamin'ny fiarahantsika
Teo imaso dia hoe
Hay ty ianao ty ka joko-tsorika
Mody mba hendry be

(2 fois): Izaho akory tsy hamaly faty
                     Na hitahiry alahelo anaty
                     Fa ny amintsika tsy afak'hitohy
                     ... samia mamoy .

Partager fitia

Commenter fitia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny tariny

Suite