4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lavitra ny maso - Henri ratsimbazafy

Feno telo taona izao
no efa nahalasananao
tany an-dafy tany.

Teny am-piandohana anefa
ny taratasy izay nalefa
voavalinao hatrany.

Tato aoriana kosa asa
fa nivadika ny rasa,
tsy voatana izay kinasa,
angamba adinonao ny lasa ?

Nony elaela indray
izao no taratasy iray
mba nalefanao :

"Zaho dia salama tsara
tsy dia manana ambara
tsisy vaovao."

Ary nony taoriana
tsisy izay nifamaliana
avy hatrany ianao nangina
asa angamba ianao variana

I sy II Ref.:
Lavitra ny maso moa
toa hoe lavitra ny fo
ka izany angamba no
tsy namalianao ahy koa.

III
Herinandro lasa izao
dia nanoratra ianao
ary nanambara

fa handao ny any any am-pita,
ny fianaranao dia vita,
hody soa aman-tsara.

Azafady anefa akia
fa izaho mantsy aty
efa manana mpitia
tsy halozàna sanatria,

Lavitra ny maso moa
toa hoe lavitra ny fo
ka izany angamba no
tsy namaliako anao koa.

Partager lavitra ny maso

Commenter lavitra ny maso

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite