4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Izy anie - Lolo sy ny Tariny

Nikôty an’i Krisy tany am-piangonana aho lesy a, (2)

Niantsoany diakona nirongo baiboly aho marina (2)

I Krisy anie, ka toa an’i Maria virijiny,

Krisy anie, ka toy ny tsy mba manan-tsiny

Izy dia tsy azo anantonana,

Izay manantona azy dia maty,

Izy dia efa natokana,

Hanaja ny vady mariaziny!



Nikôty an’i Bao tao andrefan-tanàna aho lesy a (2)

Niantsoany ny zokiny lahy be sandry aho marina,(2)

Izy anie, ka zanaka mpivaro-kena (2)

Izy dia tsy azo anantonana,

Izay manantona azy dia maty,

Izy dia efa natokana,

Ho an’ny dabokandro avy any Itasy,



Nitsena an’I Lila tany am-pianarana aho lesy a(2)

Nangaringarika be taola-maso lesy izy a (2)

I Lila anie, ka zanaka mpanan-karena (2)

Izy dia tsy azo anantonana,

Izay manantona azy dia maty,

Izy dia efa natokana,

Ho an-dry zalahy avy any an-dafy.

Partager izy anie

Commenter izy anie

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny Tariny

Suite