4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mitsitsy lalana - Samoela

Efa mba navadibako ihany retsy ny lafi-tsarany sy ratsy
F’izaho mahita an-dry dia mahazo tsirony mahazo fafiny
Raha misy raozy tsy halazo angamba ‘etsy izay no omeko an-dry
Dia ataoko tsara fono dia omeko anao manontolo
Izaho anilan-dry retsy dia tena fatratra sy fanaperana e!
Kanefa in-dry indray ‘ty no mila vanony midongy aterina
Ilay azvatra kinasako iny retsy mbola tsy vita tsy mety tody
Ianao anefa ity migoningonina hoe maika

Fiv:
Ny hafainganam-pandeha (mafy ery)
Ny lalana aleha (toa mihodidina avokoa)
Ny anao koa dia ‘zany foana
Ny fanahy mbola noana dia atao mandra-pihaona
Rehefa lazony any aho ateriko ihany ho’a ianao
f’aleoko mahita tany
dia hitohy ilay fiarahana

Ny razana any am-pasana aza retsy mantso namana mba ho any
Fa ny anao zany foana avela ianao irery eto an-tany
ataotaovinao ihany moa fa mbola iantsoko pompier ianao pompier, pompier
fa mba jereo kely hoe ny jiron’io hoe menamena sa mangamanga Silo azafady a!

Fiv:
Ny hafainganam-pandeha (mafy ery)
Ny lalana aleha (toa mihodidina avokoa)
Ny anao koa dia ‘zany foana
Ny fanahy mbola noana dia atao mandra-pihaona
Rehefa lazony any aho ateriko ihany ho’a ianao
f’aleoko mahita tany
dia hitohy ilay fiarahana

Partager mitsitsy lalana

Commenter mitsitsy lalana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Samoela

Suite