4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mahatsiaro ny fahiny aho - Samoela

Mahatsiaro ny fahiny aho, fahiny mbola tsy ela
Mahatsiarotsiaro foana aho satria mbola indro tsy afa-bela
Ilay isika roa ilay tany an-tsekoly, ilay isika tsy nifankahalala akory
Nanomboka mpinamana vao niaraka
Ilay mirava avy mianatra iny dia tafiara-dalana
Nefa raha vao mifanjohy dia tantara mitohy
Betsaka zavatra izay mety am-pisaraka
Maro loatra koa ny tsy hitoviana
Raha vao mifangarongaro nefa dia tsy maintsy mihavana
Izay no ataovy an-doha sy miraikitra/milentika ao am-po
Mijery ny ankehitriny aho, ilay nihainantsika
Manotany tena lava aho satria ianao tsy mino foana
Dia mbola tsy matoky foana enao tsy mino ny efa vita
Kanefa na roanjato pejy aza tsy ampy ny tantaran-tsika
Tsy hitanao ve io hoy aho, fa tsy izaho ve io/ fa izaho mbola io
Ny omaly tadidio fa banjino koa ny anio

Partager mahatsiaro ny fahiny aho

Commenter mahatsiaro ny fahiny aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Samoela

Suite