4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hihira indray - Samoela

HIHIRA INDRAY



REFRAIN:

Dia hihira indray aho

Hikoritsana sady haneno ô

Dia hihira indray aho zama

Hapamoaka fa tsy tsiambaratelo

Dia hihira indray aho oa

Hihira ny tontolo ny olombelo ô

Dia hihira indray aho havakô

Kozy sao mba misy maheno



1) Jereo Zanahary, jereo Gasikara

Jereo re ’ty maha olombelo

Mba omeo tsaratsara, mba omeo metimety

Na ny kelikely na ny vaventy

Jereo Zanahary, ’reto dimby sy fara

Mba ahita ny sahaza sy anjara

Fa tsy sanatrian’izany ’reto gidro sy ny ala

’Reo ndray no tsara karakara



REFRAIN:1x



2) Fa efa tototry ny probleme

Ny fahoriana anie tsy tsiambaratelo

Fa efa hitam-poko, efa hitam-pirenena

Fa ’lay Gasy kely mampahonena

Za mba te hivoatra e, za mba te hitroatra e

Te hanaka-danitra tokoa

Dia efa mankokin’ ny soa e

Ahita tombotsoa

Ampio re fa tsy ampy monko-doha



REFRAIN: 2x


Partager hihira indray

Commenter hihira indray

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Samoela

Suite