4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Secrétaire - Charles Kely

SECRETAIRE



Hala-pijerinao mazana

Tsiky nafeninao fa tsy tana

Mitondra hafanana ho ahy

Voabedy lava aho any am-piasana

Mila ho voaroaka aza aho indraindray

Narovanao foana hatrizay

Tsy dia mazava ny anton’izany

Sarotra koa ny ’ndeha hanontany

Ny asanao heno mantsy sesilany

Fa mpitan-tsoratr’i ngahy Tale

Sady mahay no tsara tarehy

Manam-panahy

Mbola tanora loatra indry

Ka manaitra ny tary

Fiteny miangola misy amin-dry

Toa voajanahary mahalasa ny fisainako

Andro aman’alina ilay tsikitsikinao

Toa tsy namboarina

Hala-pijerinao mazana

Tsiky nafeninao ka tsy tana

Fanantenana ho ahy

Rahoviana ihany vao hisy fotoana

Hahazoantsika irery mihaona

Tsy hisy olon-kafa intsony

Fa izaho sy ianao

Indray takariva aho sendra avy niasa

Ny olon-drehetra efa samy lasa

Izaho niandry andry teo ampitan’ny arabe

Io ingahy Tale fa namonjy ny fiara

Indry nanaraka azy tao afara

Nampandrosoany ianao eo anilan’ny familiana

Roso ny dian’ny tia sy ny tiana

Hidola tsy maika hamonjy fodiana

Hiala hetaheta aloha

Avy eo hitady efitrano handriana

Mbola tanora ihany koa ny talentsika

Vola sy harena ananany

Tsy voavisavisa manana andefo-mandry ihany koa

Fa tsy mba toa antsika

Any izy any napetrany any aloha

Ka mangatsiaka

Fa sekretera kilalaon’i direktera ianao fa tsy ho ahy

Mandehana any ho any

’Zay hala-pijerinao hatrizay

’Lay tsiky nafeninao io hay

Nitondra hafanana aty anatinay

Toa fitsapana mamaivay

Mandehana azafady

Mikisana miala tany

CHARLES KELY

Partager secrétaire

Commenter secrétaire

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Charles Kely