4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sambatra isika - Charles Kely

SAMBATRA ISIKA

Sambatra ihany ê ’reo manan-katao

Sambatra kokoa raha toa ianao tsy miova amin’izao

Fiainanao tsotra ê, fo, saina, fanahy

Revinao mizotra tsisy ahiahy

Fara-fahoriana ê, fara-fahantrana

’reo madio ivelany, manam-bola

Ka manjary hadalana

Ny mihevi-tena  ho ambony

Tsy mitovy aminao

Ka misetrasetra lava izao

Sambatra indrindra ê izaho sy ianao

Fa iray safidy hanorina fiainam-baovao

Ho halavirin-tsika ê ’reo tia sehoseho

Hira sy mozika â tsy mankaleo

Tretrika tokoa aho raha ampianarinao

Tsy mba hanan-dolom-po

Ka hisaina vali-faty lava izao  ô ô ô                        

Hanetri-tena aho sy handefitra

Raha mbola azo atao

Zatra nihenahena aho hatrizay

Music

Tretrika ...hatrizay (x3)

Tretrika tokoa (2) ampianarinao aho (2)

Tsy hanan-dolom-po aho fa miaraka aminao

Tena tretrika tokoa(Ka) ampianarinao

Tsy hanan-dolom-po miaraka aminao hatrizay (3)





CHARLES KELY / NANIE

Partager sambatra isika

Commenter sambatra isika

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Charles Kely