4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ikala voahirana - Charles Kely

IKALA VOAHIRANA





Voahirana ô ! sahirana aho

Mitazana anao mandihy

Banjinin’ireo olo-maro be

Ery am-pamoloana ery ê !

Ny ranjonao, ny sandrinao

Mandina maha- te ho tia

Miontsana mihorohoro

’Zay mitazana no toro



Dihy mantsy no lalao

Fiangalinao raha takariva

Tsinjaky ny vatanao

’Lay endrikao tsy ialana tsiky

Ny foko kely ao anaty

No injao midobodoboka

Mientanentana tsy tanty

Raha entin-drivotra

’Lay ziponao doroboka



Voahirana, sahirana

’Lay foko miha-saro-piaro

Mahita anao tsy mihafahafa

Sariaka tsy hilaozan-tafa

Ianao anie anaty rano

Malalaka tsy voafehy

Malefaka fitopatopa

Saingy tsy azon’ny kanosa



Rehefa ianao mankeny an-tsena

Mifanosina amin’ny vahoaka

Ny foko no mangenahena

Raha sendra sangy tafahoatra

Nefa satriko ihany koa

Ny hijery ny endrikao sariaka

Diso tetika avy hatrany any aho

Raha tsy nisaina ka nanao diso masiaka



Voahirana, sahirana

’Lay foko miha-saro-piaro

Mahita anao tsy mihafahafa

Sariaka tsy hilaozan-tafa

Iriko anie, iriko koa

’Lay toetranao tsy hisy very

F’ilay fitia avy ao am-ponao ao

No tehirizo ho ahy irery





CHARLES KELY

Partager ikala voahirana

Commenter ikala voahirana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Charles Kely