4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Voarara - Zay

Nofihininao ny tanako,
dia norohanao ny molotro
Tsy haintsika nosakanana,
tsy hay nolavina
Dia toa samy nihevitra,
fa hoe mbola afaka
hifampizara fitiavana
hiara-dalana

Nefa anie na izaho eny na ianao
samy mahalala fa:
Efa voafatotra,tapa-dalàna
Na dia teo aza ialy fitiavana
Zay nampifanantona
Fitia voarara vao niatomboka

Dia navotsotrao ny tanako,
dia samy nanondrika ny loha
Avy eo dia nifanalavitra,
samy niataka
Nefa anie tao anaty tao
Dia nisy hery vaovao
Hery izay tsy azo lavina
Fa fitiavana

Partager voarara

Commenter voarara

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Zay

Suite