4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy andriko - Zay

Efa ela aho no nandondona teo
Efa ela aho no niantsoantso
Fa tsy nivoaka ianao(2x)
Ilay olona sendra nandalo teo
No mba nilaza tamiko fa
Efa tsy tao ianao(2x)

Nisy taratasy efa napetrako teo
Mba hoe hampandre anao
Saingy mety efa nifindra toerana
Na notsofin'ny rivotra

Tampoka ve ny fandehananao
Tsy nahafahanao nilaza mialoha
Fa raha ilay fitiavana
Sanatria tsy mba ho lo

Na dia teo aza izany rehetra izany
Tsy nisento aho tsy nitomany
F'efa lalim-paka(2x)
'lay fitiavana

'lay fotoana efa mba nifanomezana
Toa tsaroako hoe lavitra loatra
Ka tsy handriko(2x)
Efa tsy nanantena ny hahita anao
Fa naleoko nandramana ihany
Sao mba tao ianao(2x)

Nisy taratasy efa napetrako teo
Mba hoe hampandre anao
Saingy mety efa nifindra toerana
Na notsofin'ny rivotra

Tampoka ve ny fandehananao
Tsy nahafahanao nilaza mialoha
Fa raha ilay fitiavana
Sanatria tsy mba ho lo

Na dia teo aza izany rehetra izany
Tsy nisento aho tsy nitomany
F'efa lalim-paka(2x)
'lay fitiavana

Partager tsy andriko

Commenter tsy andriko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Zay

Suite