4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Rehefa any - Zay

Ny fiainana dia toy ny rehetra
Tsy maintsy misy fetra
Tsy afaka hijanona ety ho mandrakizay
Zay no lahatry ny Ray

Ka raha ho avy ilay andro voatondro
Hialako ety an-tany
Ka ho esorina indray tsy ho eo anilanao
Dia zao no ambarako anao

Tsy mba hanana ahiahy aho rehefa any
Tsy hanenina na dia kely aza
Tsy hisento koa na hitomany
F'efa teo anilanao tety an-tany
Ka hiandry am-pitsikina 'lay fotoana
Zay natokany hiavianao
Hanohy indray reo zay tsy vita
`lay fitiavana tsy mety ho ritra

Hanohy indray ireo zay tsy efa
'lay fiarahana tsy hanam-petra

Partager rehefa any

Commenter rehefa any

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Zay

Suite