4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Averiko aminao - Zay

Toa nisy ahiahy ao aminao
mikasika ny fitiavako hoe:
Hatraiza ny alaliny ndrao handratra ilay fo

Nefa tsy sahy nilaza fa toa natahotra
Indro averiko aminao zay efa nambarako

'Lay foko izay tony dia tony tamin'iny
no efa nanambara izay tena tiany
Voatonona tao ny anaranao
Ka tsy miova izany

Hatramin'izay aho tsy mba nisehoseho
Tsy dia nanao be fiavy
Tsy ny fitia akory no tsy ampy
Ka nahatonga anao hanavy

Nefa tsy sahy nilaza fa toa natahotra
Indro averiko aminao zay efa nambarako

'lay foko izay tony dia tony tamin'iny
No efa nanambara izay tena tiany
Voatonona tao ny anaranao
ka tsy miova izany hatramin'izao

Izay midika fa ny foko ho anao

Partager averiko aminao

Commenter averiko aminao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Zay

Suite