4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Zôzô la moto (bouboul - RAMBOATIANA Etienne)

Angano angano arira, kivazivazy an-kira

Atolotro anao izay mihaino ahy izao.

        "Teuf teuf teuf.... vroummm - moto anie izany é"

Zazalahy iray, mpianatra izy izay

Ny anarany dia Zôzô, mpitaingina moto

          Là  là  là ......



Azy ny tànana, miriotra izy tsy tàna

Toerana atsy sy eroa, tongany avokoa.  "Teuf teuf teuf"

Na lavitra izy any, dia fantatra avy hatrany

Ny fitefoky ny moto, moto-an’i Zôzô

          Là  là   là .....



Anaovany ny satro-by yy-y-y-yyy , dia jejojejo ery yy-y-y-yyy

Izaho koa mba nidonaka, amin’ny paozin’ilay àka

          "Teuf teuf teuf.... vroummm"

Lalovany ny hôpitaly, tsy faly ny marary

Amin’ny fitatatatan’ny moto, moto-an’i Zôzô

          Là   là   là......



Miseho izy ho sahisahy, amin’ny namany tovolahy

Miseho izy ho tena favy, amin’ny namany tovovavy

          "Teuf teuf teuf.... vroummm"

Miseho ho kinga bé-éé-é-é- ééé, eny amin’ny arabe éé-é-é-ééé

Mitsofotsofoka hatrany, exhibition hono izany

           Là   là   là.....



Indray andro izay, niseho izy hoe mahay

Nisasasasa be, kanjo... any an-kady re

            " T... e...e..u....f      t..e.u..f f      t... t ...t..eu..u..uf. "

            "Oh, nampalahelo Zôzô sy ny moto-any"



Ny milingilingy ihany, no potraka eto an-tany

Marina izany ô ô !!! hoy i Zôzô sy ny moto

            Là  là  là....

          

            "Zôzô ? nankaiza ny moto ? (ha ha ha)



            "Hay vé ô !!! (ha ha ha), hay nosoloina vélo! (ha ha ha)



Zôzô la moto.

Partager zôzô la moto (bouboul

Commenter zôzô la moto (bouboul

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RAMBOATIANA Etienne)