4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Zook zoky - RY SERAH

ZOOK-ZOKY    (mi)



atrakao ny loha  esory ny alahelo

fetintsika androany atao mamelovelo

ny hira sy mozika hanako hatrany hatrany

izao tontolo izao hatrany am-parany any



mandehana ianao antsoy ireo namana

aza misy hadino indrindra ny havana

ho ento hono hoe izay efa vonona

hiaraka hilanonana



fomba malagasy ny miara misalahy

miara mihetsika ny vavy sy ny lahy

tonga dia rombahy fa aza miahiahy

samy mientana f'izao vao tafaray



mitsangana handihy hetseo ny tongotrao

'ty lay zook-zoky iarahana manao

tairo ny eo akaiky hameno sehatra

tsisy menamenatra



resintsika izao 'lay fahoriana

tsikitsiky foana miramirana

asambarana no higalabona

@ ny fiainana na andro na alina



tsara ny mozika e manentana fanahy

tohizo ny hirantsika ho mandrakizay

fifaliana foana e no hiarahana

ka ho rava ny ahiahy



   RY-SERAH

Partager zook zoky

Commenter zook zoky

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RY SERAH