4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Manina - RY SERAH

MANINA      



nahoana e no miangatra  

izao ve no lahatra

tomany tsisy mpiahy

ka ontsa lany fanahy

ty foko toa manirery

toloko tsisy mpijery

jereo e 'lay tokana

lavi-tany tsisy havana

manjombon-dava tsy eo nareo

tsy hita tava ka mankaleo

mamirifiry mavesatra  tsy zaka ny entana

na vorona aza toa tsy mandalo

'lay volana tsy hita fa mailo

ny vazoko no mamelovelo  hanala ny alahelo

soa ihany misy an'ialahy

akama solon-drahalahy

tandremo e mivadika

tongava aza manahy

isika tafaraka aty

hibaliaka ilay fitia

andeha re hitetika

hizara izay nentina

tohano aho raha mila hirona

arovy koa mba tsy ho voadona

hiakatra no tanjona  tsisy mijanona

ho resintsika ny alahelo

asiana vazo mamelovelo

izaho sy ialahy no mampiara-peo        

ho gaga ry zareo

  



                RY~SERAH

Partager manina

Commenter manina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RY SERAH