4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny andriam-bavy - RY SERAH

NY ANDRIAM-BAVY    



maninona moa raha mitandrina

sao dia mba vaky ny andrina

tsapao kely ny daoziny

henoy tsara ny kaoziny

ry ikala mpangorona lova

izao ve mbola tsy miova

hatramin'ny zaza kamboty

notoriana mba tsy afa mihoty

nampiasaina daholo ny tetika

ny hopitaly ary ny certificat

hoe nisy namono ny zanany

ka tapaka hono ny tanany



nitetitetika roa tapitrisa ô ô nefa tsy namisavisa

very hevitra i ranavalona f'izy indray eo no ho faty enina alina

novoriana ireo herivelona  mba hitsangana vavolombelona

nitokona ts'isy nandeha  ka dia tezitra ilay ramose



dia roso ary ity fitsarana

fa tsisy raharaham-pihavanana

ka samy toa fianakaviana

ny mpitory ary koa ny toriana

ny andaniny avy @ vavy

samy naka ny tandrifiny avy

ny ankilany avy @lahy

rindrim-bato nijoro ho sahy

ka nony nivoaka ny didy

fa ho azo hono ilay sarobidy

nanantena an'ilay saosy be

niala maina fa annulé



dia nangaina ny andriam-bavy ô sy ry sata zay nanotrona azy

mba henoy ihany ny zanaka fa aza dia mery mibanaka

noentin'ny fitiavam-bola novereziny nataony kola

ny hany mba teniko faranay omeo ny mpandova ny anjarany...





RY-SERAH

Partager ny andriam-bavy

Commenter ny andriam-bavy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RY SERAH