4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nanody - RY SERAH



  NANODY    



niova ianao tsy toy izao mitandrema

tantara sisa ireo efa vita mihevera

ny fitia ve kilalao ka tsy ho hajaina

asanao aleo aho hionon-tsaina



tsofin-drano mba ho tojo zay irina

izaho koa hiova lasy rehefa tsy tiana e

mbola misy ireo manantena miandry anjara

ianao tsy hiova k'aleo ho rava samia ho tsara



aiza ireo voady nataonao hatrizay

ref toky toa nomena nefa nalaina indray

hay fitaka ihany na sangisangy koa

nanao izay ahazoana kanjo tsy raiki-po



sao any aoriana ho tonga ianao hifona indray

fa nanody izay natao ampy izay

izaho aty voakolokolo sy efa tsara

any an-kafa indray mamafy fa efa tara



sao ianao manantena fa hoe tsy hisy

ilay anjara zay tena tsara ho an'izay resy

sanatria raha izay fitia tsy najaina

no ataoko indray hanadinoina ilay nolalaina



teo aho nataonao toy ny akanjo rovitra

ref natsipy fa malo totonta sy rotika

izao tadiavina indray satria toa mangovitra

tsy misy ny hatafy fa lo ny eny an-koditrao





   RY SERAH








Partager nanody

Commenter nanody

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RY SERAH