4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tanora sakaizan'i ivokolo (association des jeunes amis du cemdlac) - Lova Mamisoa

Fitiavam-boky no niandohan'ny tantara
Tao amin'ity toerana iray tena manja sy maha-tamàna
IVOKOLO no anaran'izany tanàna
Tao no nihaonanay mianankavy
Nifampizarana ny soa sy ny tsara

Refrain:
Tanora sakaizan'i IVOKOLO izahay
Hanandratra avo ny kolontsaina
Hifampikolo sy hifampitaiza
Vonona hifampizara fitiavana hatrany
Ka hijoro sy ho sahy haneho ny firaisankinanay

Hery iray no entinay hamakivaky
Ny tontolo misy antsika
Izay miha-ratsy sy miha-simba
Ny firaisankina no fitaovana enti-miady
Dia hijoro lalandava tsy ho resy, tsy ho rava

Partager tanora sakaizan'i ivokolo (association des jeunes amis du cemdlac)

Commenter tanora sakaizan'i ivokolo (association des jeunes amis du cemdlac)

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lova Mamisoa