4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tafaray - RY SERAH

TAFARAY    



arovinao 'ty fo zay vao nikambana

fa lalana tsimaintsy ho diavina

ho sambatra 'zay mahatoky

ka miankina sy mifikitra aminao

toroy anay ny lalana hizorana

ianao anie ho manda fiarovana

vao miana-mandeha ka tantano

ho lafatra sy ho soa ity tokantrano



...'ty aho ho anao

ny faniriako ho doria tsy misy fetra satria

...foiko tsotr'izao

ny fo sy fitiavako omeko rahavako



vao nahita anao ny foko dia nitselatra

hay koa ve ny anao fa mody menamenatra

toa tafaray ny samy tia e

ka dia hiray mandrakizay doria

fitiavana be no omeko ho anjara soa

ianao koa anie hitondra ny anarako

dia nifanaiky nanao sonia e

tsy manam-petra ny dinan'ny fitia



...'ty aho ho anao

ny faniriako ho doria tsy misy fetra satria

...foiko tsotr'izao

ny fo sy fitiavako omeko rahavako



   RY-SERAH

Partager tafaray

Commenter tafaray

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RY SERAH