4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Samy tia - Tovo j'hay

Menamenatra,
tsy sahy,
toa misy zavatra iray
izay mampanahy
nokoboniko hatrizay
hobangoiko teny iray
hoe tiako ianao.
Vahobahotra,
manahy
sao lavinao ilay fo tia iray
izay mamaivay,
izay mandoro anatiko ao
nefa tsy misy azo atao
raha tsy eo ianao.
Ampy kosa angamba izay izay izay
izay fotoana ela izay izay izay
fa androany androany androany
tsy maintsy tongako any
ny tambitamby sy safosafo
teny mamy.
Ampy kosa angamba izay izay izay
izay fotoana ela izay izay izay
fa androany androany androany
tsy maintsy tongako any
ny tambitamby sy safosafo
teny mamy.
Raha vao takariva
malomaloka iny,
hanainga ho any aminao any aho
k'aza tsiny ;
holazaiko amin'ny fo izay ato am-po ;
teneniko avokoa.
Kanjo tafahaona teo indrindra
ilay fihetsikao namihina ahy
efa voarindra.
Hay koa ianao koa
efa tia ahy hatram'izay
Fa mbola niandry ahy!
Ampy kosa angamba izay izay izay
izay fotoana ela izay izay izay
fa androany androany androany
tsy maintsy tongako any
ny tambitamby sy safosafo
teny mamy.
...

Partager samy tia

Commenter samy tia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tovo j'hay

Suite