4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sitrakao - Rija Ramanantoanina

SITRAKAO



Izay rehetra vita sy natao hatrizay

Aza tsarovanao

Ireo dinantsika nolazaina hoe mandrakizay

Efa narodanao



Ireo teny mamy teo imolotrao, fiangotihanao

Niova avokoa

Nanjary sabatra nadrasarasa, ao anatiko ao

Ka mnkarary fo



Fa sitrakao, sitrakao

Ny hampijaly ahy, ao ampo

Fa sitrakao, fa sitrakao

Ka atao ahoana moa



Tsy sendrasendra, fa fanahiniana tsotr’izao

Ireo dina natao

Ankehitriny mantsy fantatro fa leo ahy ianao

Ampy ahy koa izay



Fa sitrakao, sitrakao

Ny hampijaly ahy, ao ampo

Fa sitrakao, fa sitrakao

Ka atao ahoana moa

Partager sitrakao

Commenter sitrakao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Ramanantoanina

Suite