4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hay ve - Rija Ramanantoanina

Hay ve ka nisy raozy nokoloinao naniry tamiko ?

Fa ny foko no nandà tsy hamokatra intsony

Nefa tsy kivy ianao

Hay koa ve nisy, finiavana hikarakara taminao?

Fa ny saiko no ninia tsy ahafantatra ireny

Fony naha-teo ianao



Fa lasa ianao vao tsapako

Nony indro ianao tsy tazako

Injay nilentika lalina am-poko ao

Lalimpaka ’lay raozinao



Fa teo ianao tsy hitako

Niteny ianao tsy reko koa..

Taitra ianao,

Ninia natory irery aho

Taitra avy eo aho nilaozanao



Raha mbola misy’zay voatahiry tamiko ao anatinao

Ento ho ahy, fa hokoloiko ireo

Hiroborobo toa izay nataonao ahy.

Raha mbola ao kao’ lay diakan-teny hoe TIA

Ambetin-dresakao

Ento aty fa f’izay vao fantatro ny tena heviny

Nolazainao taloha



Fa dindo tsy hay kosehina

Am-poko ialy fitiavanao

Ka ny hany faniriako dia izao:

"Mandrakizay ho ahy ianao":



( Rija Ramanantoanina & Michaela)

Partager hay ve

Commenter hay ve

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Ramanantoanina

Suite