4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Avelao any - Rija ramanantoanina

Raha tsy ho ahy
ho ahy irery ianao
fa ho azy koa
raha tsy ampy anao
sy rehefa tianao ny hampiara-droa
dia avelao ho ahy irery
ny fitiavako fa sao dia lo
ka tsy hahay itia intsony avy eo
Avelao ho ahy koa ny lasantsika tsy hifoha
ny izay anio sy ny ampitso
aoka tsy hisy ho re
dieny mbola tsy miroborobo fakana ilay fitia
dia aleo kapaina sao mamono

Tsy minia hamitaka aho sanatria
na hoe tsy ampy ho ahy ny iray fa aleoko roa
fa nisy fitia iray tsy mbola hitako nandalo teo
dia tsy fantatro fa lasany ho any aho

Fa nisy fitia iray niserana nitondra afo teo
nangatsika aho dia nantsoiny eo aminy
sanatria tsy hoe tsy tia anao intsony aho dia na dia
nandeha aho dia miverina indray


Sao sanatria tsy ampy anao ny fitiako
tsy noho ianao na ny fitiavanao no antony
ampy ahy tokoa izay nataonao sy ny fonao tena tia
mananamby betsaka aza   izy ireo

F'ilay fitia izay nandalo no hafa tamiko
nahavarina ahy ka dia niriko ny ho fantarina
tsapako avy eo fa tsotra nefa feno ny fitiavanao
hafahafa ilay fitia vaovao

Nampiova ahy ny fitia nentiny
nampitombo ahy ny fitiavanao
tany aho fa tsy nahatsiaro
ora farany ny afo nentiny
mbola hafa ny fitiavana

Fa nisy fitia iray niserana nitondra afo teo
dia nanampy ahy izy hanazava anao
fa nisy fitia iray
tsy manampetra ao anatiko ao
voatokana ho anao sy ho ahy....

Partager avelao any

Commenter avelao any

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija ramanantoanina

Suite