4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fivavako - Rija Ramanantoanina

Malomaloka endrika eny ianao indraindray

Nisy ranomaso kely koa toa ho ao

Vitsivitsy teny toa mitokatokana

Mandà lanonana, manjary miavona.

Nisy aza moa indray andro izay

Teny amoron-kady ianao no hitanay

Saika hanampy iray ireo efa lasana

Hameno fasana, handao ny ety.



Fa nalavom-pitia izaho hoy ianao:

Ka kivy dia kivy

Tsy te-hiaina intsony, ny ampitsoko maloka

Aleoko tsy sainina.

Fa namboly fitia tanatin’ny tsilo

Na dia sasa-poana niandry azy haniry

K’izaho indray no voatsindrontsindrona

Nandraiky narary



Kanefa avia hoy ianao dia

Iraho ilay volàna

Hitsena ny ampitsonao mihiratra

Taratr’ilay masoandro

Avia aty hoy ianao dia

Antsoy ireo kintana

Hamerina indray ireo tsikinao

Ary hamaky haizina



Soa nisy namana toa anao

Soa nisy tànana nandray ahy

Fa raha ny saiko no hampariko

Dia efa levona, izay momba ahy

Tsiaro nanarin-dia

Zary nofinofy irony taloha,

Noho ireo tononkira

Namboarinao ho ahy ; ho fiononako

Nanjary fivavako !



Dia ho rariny ve

Raha olona iray tanatin’ny arivo

No ndeha hanimba ny ampitsoko

Mbola tafarina

Saika tsy ninoako

Partager fivavako

Commenter fivavako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Ramanantoanina

Suite