4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Kolontsaina harena - Lova Mamisoa

Novakivakiana ary ankehitriny
Ny fihavanana izay nampiray hina
Tsy norarahina koa ny kolontsaina
Fa nozarazarain'ny vola ny toen-tsaina

Dia mikisakisaka ireo tsy ampy fananana
Fa lasan-dravola ny toerana
Milefitra tsy fidiny izay tsy izy
Satria tsy tompon'ny devizy

Refrain:
Tsy vola ihany no atao fanarenana
Kolontsaina koa harena tsisy fahataperana
Aoka isika samy haka saina
Fa samy olombelona miaina

Marina fa andrianiko ny teniko
Ka ny an'ny hafa koa feheziko
Izany anefa tsy midika hoe
Ataovy vary amin'ny anana be

Ka rehefa tafahoana dia lasa "bonjour" fa tsy manao ahoana
Raha toa hisaraka iny dia tsy hoe veloma na mandram-pihaona
Fa lasa teny vahiny "au revoir","bye bye"
Tsy voafehin-dramalagasy hoy aho ny teny gasy ranoray

Refrain:
Tsy vola ihany no atao fanarenana
Kolontsaina koa harena tsisy fahataperana
Aoka isika samy haka saina
Fa samy olombelona miaina
Tsy vola ihany no atao fanarenana
Kolontsaina koa harena tsisy fahataperana
Aoka isika samy hisaintsaina
Fa samy olombelona miaina

(Solo)

Refrain (x2)
AC : Lova Mamisoa
Angorodao : Yvon
Guitare : Lova Mamisoa
Accompagnement guitare : Marius

Partager kolontsaina harena

Commenter kolontsaina harena

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lova Mamisoa