4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Dago - RY SERAH



               DAGO



marina loatra izay voalaza

nosy kely fa manan-daza

sarotra hafoy sy ho adinoina

na lavitra aza dia tsaroana



mandainga izay tsimba te ho any

reo tsy afa-manaotra mitomany

raha vao mandre hoe lasa izahay

hamangy ilay dago maminay



gasikarako tanindrazako

ngomangoma anao ny foko

gasikara  ô nosindrazako

ho avy any aho fa aza manahy



tsy fidiny ho anay ny nandao

ataoko fa efa fantatrao

aza omena tsiny  ny akama

voatery niala ilay tanana



mbola hihaona foana isika e

na eto na any an-dafin'ny riaka e

izay mahatsara aloha jerena

mba hahasoa ny firenena



gasikarako misy ny havako

tsy hanadino anao izahay

dago mamiko ô nahalatsahako

raha tia ahy ianao dia iazay

  



          RY-SERAH






Partager dago

Commenter dago

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RY SERAH