4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hafatra - Tselatra

           zary gina ny tontolo

           rakotra haizin’alin-kisa

           ny zava-boary miova volo

          tsy hita intsony hamisavisa

         feon-biby samy hafa

         no re manakoako hatraiza hatraiza e

         no hany mandrotsy ny fanahy

         sara-tiana difin-tsakaiza



ref: ry volana o! ry kintana ambony

       etsy ange mba hafarako

      ny sentom-poko noho ny

       raha tojo anao lay tokana lalaiko



           azo ambadika ao ry vohitra avo

          no misy lay hany singa tiako

         ka raha azonao atao bitsio

          aza ela hono hono  hoe



ref:



     tiana o! faingana raha tojo anao irony hafatro

    tiana o! faingana fa ny foko no manafatra

    tiana o! faingana fohany ireo taloha

    ny sentom-poko hatsaharo ,ny fahanginako resaho

Partager hafatra

Commenter hafatra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tselatra

Suite