4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mbola ekeko tompo - Telonohorefy Famonjena

1- Mbola ekeko Tompo, tena amin’ny foko

    Ny ho isan’izay fitaovana iray

    Eo an-tànanao hitory ny Fitiavanao

    Mba sitrany ahay miampy indray

    Ny ankohonan’ny Ray

          Manaiky ho fanaka voafidy vata mihidy

          Ka ny sitrakao ho tö, fa izaho tsy tompon-tsafidy

          Ny toky omena dia fandavan-tena

          Tolory saina fahalalàna sy fahendrena



2- Raha ny ato am-poko ry Jesosy tiako

    No velariko eto anoloanao

    Inoako fa tsy omby eto ambonin’ny tany

    Jesosy Malala izaho tsy hiala

     Na hisy tomany

        Manaiky ny tendry ary ho hendry eny am-perinasa

        Hamita izay tsy vita rehetra tamin’ny lasa

        Dia manantena ny valim-babena

        Hianao ry Ray no avy handray sy tonga hitsena



    Hihaona amin’ny voavonjy sy ireo hava-malala

    Nitahiry ny finoany tety tsy nisalasala

    Tsy voatanisa, tsy voaisa

    Miravoravo handray antsika ao am-paradisa



                              Pasteur SACHA

                     NEPM-FPVM  LA REUNION

                  Fanevan’ny faha 20 taonan’ny

                  "TELONOHOREFY FAMONJENA"

                                1988 - 2008

    

Partager mbola ekeko tompo

Commenter mbola ekeko tompo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Telonohorefy Famonjena