4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mamiko loatra ianao - Telonohorefy Famonjena

Mamiko loatra Ianao

Ry Jeso Mpamonjy tia

Ka ny ao anatiko ao

Mahatsiaro sambatra ery

Noho ireo teninao

Mitondra fianana ho ahy

Sakafon’ ny fo sy saina sy fanahy



Ireo teny soa

Nomenao ny namanay

Loharano tena soa

Miboika avy amin’ny Ray

Hanagana azy tsy misalasala

Hiantsonao azy ho zanaka malala



Fatratra loatra Ianao

Rehafa misy manjo

F’ injao ny tànanao

Mampitraka ny loha

Ny tambitamby moa

Tsy hay lazaina tokoa

Mampahery, manasitrana ny loha



Mamiko loatra Ianao

Tsy haiko hadinoina tokoa

Ka idongiko aminao

Mba homenao ahy Jeso

Dia ho feno sy mitafotafo

Ny teninao no soa sakafo

Mamiko loatra Ianao ... (1)



AC: Sacha RATIANARIVOSON

Partager mamiko loatra ianao

Commenter mamiko loatra ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Telonohorefy Famonjena