4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mamiko loatra - Telonohorefy Famonjena

Mamiko loatra Hianao

Ry Jeso Mpamonjy Tia

Ka ny ao anatiko ao

Mahatsiaro sambatra ery

Noho ireo teninao

Mitondra fiainana ho ahy

Sakafon’ny fo sy saina sy fanahy

Ireo teny soa nomena ny namanay

Loharano tena soa miboika avy amin’ny Ray

Hanangana azy tsy misalasala

Hiantsoanao azy ho zanaka malala



Fatratra loatra Hianao

Rehefa misy manjo

F’injao ny tànanao

Mampitraka ny loha

Ny tambitamby moa

Tsy hay lazaina avokoa

Mampahery manasitrana ny loha



Mamiko loatra Hianao

Tsy haiko hadinoina tokoa

Ka idongiako aminao

Mba homenao ahy Jeso

Dia ho feno sy mitafotafo

Ny teninao soa sakafo

Mamiko loatra Hianao…(1)

Partager mamiko loatra

Commenter mamiko loatra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Telonohorefy Famonjena