4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fiainam-baovao - NY RIAMPEO FJKM Z.F.AMBATOBE

Ny hadisoako tsapako izao

Fony aho ninia tssy hahalala anao

Neniko koa, eto imasonao

Ireny aho nandà tsy hotiavinao



Hianao niandry ahy, naneho fitiavana koa

Tsy mba nanifika ahy na teo ny hadalako

Nampanantena ahy fiainana tsara kokoa

Atolotro ny fo, ho Anao ny fitiavako



ref : Manomboka eto izao

        Fiainam-baovao

        No iriko iarahana Aminao

        Feno fiadanam-po

        Kanto tokoa

        Tsy manam-paharoa



Ekeko fa ao ilay ratsy

Hisarika ahy mba tsy hino Anao

Isan’andro izao ireo mpandrafy

Hanosika ahy hanadino Anao



Nefa ato anaty, ny voadiko dia izao

Ho mandra-maty, hanoa izay sitrakao

Satria ny fahoriana, hitony raha lazaiko Anao

Ny fifaliana tsy ho to raha tsy eo aminao



          RAKOTONANAHARY Haritiana

Partager fiainam-baovao

Commenter fiainam-baovao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe NY RIAMPEO FJKM Z.F.AMBATOBE