4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy haiko ny hangina - NY RIAMPEO FJKM Z.F.AMBATOBE

Raha mijery ny lanitra

Dia mahavariana ny nanaovanao

Ny masoandro mibaliaka

Izay mizara hazavana

Manome aina ny tontolo



Fa ny alina ’zay mandimby izany

Mainka mambabo fo avy hatrany

Volana manjopika, kinta-mamiratra

Maneho ny fahalebiazanao



Dia ho haiko ve ny hangina ka hitoetra amin’izao

Tsy hanambara ny hatsaranao

’Zay no mahatonga ahy hihira sy hifaly toy ’zao

Fa mihoatra izay rehetra izay

No namoronanao ahy

Tonga lafatra, fa nataonao

Mitovy endrika Aminao

Misaotra indrindra Ray



Ireo zava-boahary ’zay hitako

Tsy ho ary hotanisaina avokoa

Ny lokon’ireo voninkazo, hiram-borona

Taratry ny fitiavanao (Ry Tompo)



RAKOTONANAHARY Haritiana


Partager tsy haiko ny hangina

Commenter tsy haiko ny hangina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe NY RIAMPEO FJKM Z.F.AMBATOBE