4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Feno fitia - Mihaja

Namiratra

Njay vao hitako izy

Tsy maloka ny androko eo izy

Sambatra aho

Fenoinao fitia

Mahatsiaro feno hery



             Hadino ’reo

             Hiova fo hatreo aho

             Hariako ’reo

             Ditra tsy nahatony aho

             Mamelà ahy

             Fa hiova fo hatreo aho

             Satria nahafantatra anao



Omeo toky aho fa tsy hitsahatra ny hitia

Hiaraka amiko ho doria



Réfrain:



Tantara feno fitia

Indro niatomboka

Izaho tena tia

Sy matotra

Hafoiko ho anao re ny aiko

Efa lasanao ny saiko

Ianao irery ihany ’lay feno fitia





            Mba lazao ahy

            ’Zay mba vokatry ny fonao

            Mba teneno aho

            Raha mba tia koa ve ianao

            Aza kobonina fa asehoy

            Fenoy fitia aho fenoy



Omeo toky aho fa tsy hitsahatra ny hitia

Hiaraka amiko ho doria



Réfrain ( 2fois)



Hafoiko ho anao re ny aiko

Efa lasanao ny saiko

Ianao irery ihany ’lay feno fitia




Partager feno fitia

Commenter feno fitia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mihaja