4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mivavaha mahereza - NY FANILO

Henoy fa hihira ho anao aho zay manatrika eto

Mba hilaza ary koa hanambara ireto

Ny eto an-tany tsy hoe fifaliana

Hatrany hatrany ô!ô!ô!

Mety handalo eo koa ny sento-tomany.



Fandalovana ihany ny eto

Tsy ilaozan’ny olana izay mampisento

Mijoroa mahereza,fa aza tomany(Rahavako izany ô!)

Jesosy Tompo tsy aiza fa mbola eo ihany.



Na iza na iza mizotra mba ho any Kanana

Tsy maintsy sedraina

Tsy maintsy mandalo amin’ny fitsapana

Kanefa hoy aho aminao hoe:

Mivavaha lalandava

Fa andian-drahona ihany tsy maintsy hisava

Indraindray toa kivy sy mihanahana

Toa tsy mahita intsony ny lalan-kombana



Mirosoa Mivavaha Mahereza hatrany(hatrany x2 ô!ô!ô)

Jesoa manafatra anao hoe:

MINOA FOTSINY IHANY.


Partager mivavaha mahereza

Commenter mivavaha mahereza

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe NY FANILO