4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Feo roa - Njato sy Mino

Mamiko toy ny tantely
Hanitra hafa tokoa
Mino aho f'ireo anjely
Hanambatra ty feo roa

Zava-boary samihafa loko
Tarafiny lanitr'ery
Manainga ny lapan'ny foko
Hikalo ity tononkalo ity

Injany misy feo
Eo anilako eo
Miantso ahy sy ianao
Moa ve tsapanao

Manako ao am-po
Mibitsik'ao an-doha
Ny alahelo sy tomany
Misinda ts'isy izany
Ho fideran'ilay Tompo tia anay
Hindramiko ty feo roa

Maraina fanantenana
Mitondra hery vaovao
Vonona hanome hazavana
ty hira izay ampit'aminao

Manarina 'reo mety ho kivy
Manamp'ireo trotrak'am-po
Lehibe sy sarobidy
Ty feo roa kanto tokoa

Partager feo roa

Commenter feo roa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njato sy Mino