4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ho iray - Njato sy Mino feat. Groupe Lalaina

Raha miposaka ny masoandro
Ka manazava ny ety
Feon'ny tontolo ny miray ho Anao
Fa lehibe noho izao rehetr'izao

Ka hiray ho iray
Ny hira atolotray
Hanandratanay ny Anaranao

Tena mankasitraka sy misaotr'Anao
Satria narovanao, satria notahianao
Ny hatanoranay sy ny talentanay
No entinay, entinay eo Aminao
Feo miray, mider'Anao

Na mafy dia mafy
Ny fiainanay ety
Tsy ho kivy zany na hatahotra
F'eo Ianao ka hisaorana

Ianao no antoky ny foko
Sy antom-piainako ety
Ka fisaorana anio no havalinay ny fitiavanao

Partager ho iray

Commenter ho iray

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njato sy Mino feat. Groupe Lalaina