4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Embona - Lay

Ny fahitako anareo tonga nitsidika re

Mampanembona ahy lay tany niaviana

Ireo fianakaviana mba finaritra ve ?

Sa misy tokony hatahorana



Fa singan'olona irery an-tany lavitra be

Ka manembona raha sendra manorana

Havoana sy ala mikizo fiakarana be

Te hiridana fa tsy afa-patorana



Izaho aloha efa hatramin'izay

Tsara tsy marary kanefa indraindray

Misy tsiahy izay tsy mety mangina

Ny alahelo anareo hava-tiana



Tsindriko mangina tsy hisento ny fo

Raha mavesatra ny fahatsiarovana

Tsy mety ny saina mila ho vaky ny loha

Mandreraka tsy ahitam-panafana



Fa te handre anareo eny na ratsy na soa

Fakitera mbola tsy nandalo ihany

Mahatsiahy ny fiarahana fony  taloha

Ka tsy miato fa manoratra hatrany



Taiza ianareo no tsy mba namaly

Taiza ianareo no tsy mba niseho

Taiza ianareo tsy nandrenesam-baovao

Fa izahay anie ka tsy manadino

Partager embona

Commenter embona

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lay