4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fenoy tompo - Jocelyn RANJARISON

FENOY TOMPO



1- Nitady zava-tsoa tsy nahavoky aho

Toy ilay vehivavy naka rano

Kanefa nomen i Jeso toky aho

Hahazo izay madio manganohano



Fiverenana:

Fenoy Tompo mitafotafo

Ity siny izay nomenao ahy

Fa miredareda toy ny afo

Izany hetahetan ny fanahy



2- Tsy vitsy ireo izay mbola mankamamy

Ireo zava-tsoa nomen ny tany

Kanefa re mba tiako loatra

Ny hisantatra ny fiainana any ankoatra





3- Ry namako izay mbola mitady

Fiadanana tsy ho doria

Ho reraka ianao hiady

Raha tsy mandray an I Jesoa Kristy.










Partager fenoy tompo

Commenter fenoy tompo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jocelyn RANJARISON