4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aza kivy (tsy izay miseho anio) - Jocelyn RANJARISON

Tsy izay miseho anio, no hoe hamaritra

Fa mbola ho avy ilay maraina mahafinaritra

Voatokany izaho satria, efa eo aminy

Ho ahy sy ho anao, tiany sady maminy  X2



Koa aza kivy ianao fa raiso re ny tànany

Ny hoavinao rehetra anie, efa eo Aminy

               Koa matokia, ario hatreo ‘reo tebitebinao

               Tsy maintsy ho tong’ilay maraina vaovao X2



Tsy izay miseho anio, no hoe hitsaranao

Ka hamaritanao izay tsy maintsy ho avinao

Tsy taratry ny ampitso anie, izay mitranga anio

Ny Tomponao, no hifikiro mafy sy itokio.



Ref x2

Partager aza kivy (tsy izay miseho anio)

Commenter aza kivy (tsy izay miseho anio)

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jocelyn RANJARISON