4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miverena - HERMANN

Fitiavana mandrakizay

No nitiavan’Andriamanitra anao

Fitiavana tsy manam-petra

Hozaraina amin’ny olon-drehetra



Ny ràn’ny zanak’ondry latsaka

Hamonjeny sy hanadiovana anao

Niaretany ny eso latsa koa

maty hamonjy anao Kristy ka mba ekeo re



Hitady sy hamonjy anao Jesoa

Hanafaka reo fatotra ao aminao

Hitondra ny entanao mavesatra

handraisanao lay fitsaharana



ny ràn’ny zanak’ondry latsaka

Hamonjeny sy hanadiovana anao

Niaretany ny eso latsa koa

Maty ho anao Kristy ka mba ekeo re



Henoy izao antso ho anao izao

Mandraisa an’i Jesosy Tompo ianao

Fa izy anie ka sasa-miandry anao

Miverena re fandrao ho neninao

Partager miverena

Commenter miverena

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HERMANN