4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitia resin-tory - Henri ratsimbazafy

1 -
Aza dia terena hifoha
'lay fitia mbola matory
mba avelao kely aloha
tsisy mahamaika akory

Tsapako aho fa mbola kely,
mbola lavitra ny dia
ka tsy maika vehvely
ny hanandrana hitia.
Mbola ho avy ny lohataona
hitsirian'ny fitiavako
Any angamba vao hihaona
'zaho sy ilay ho havako.

2 -
Ho tiaviko ianao
toy ny namako rehetra
amizay angamba vao
mba hifankahalala toetra,
ny kilema sy hatsarana
ho hitantsika avy hatrany
tsy handiso fanantenana
rehefa any aoriana any

raha misy haratsiana
azo ovana na ho zaka
dia inoana fa any aoriana
'lay fitia ho lalim-paka

Ref.
Amizao fotoana izao aloha
ny tiako dia ho namanao
mandra-paha-tafafoha
ilay fitia anatiko ao.


Narisoa sy Henry Ratsinibazafy
Juin 91

Partager fitia resin-tory

Commenter fitia resin-tory

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite