4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitia voarara - Henri ratsimbazafy

Izaho mbola kely
ka tsy mahazaka tena,
nefa koa tsy anjely
ka mety mba mivena.

Ny saiko mahalala
hany ka azoko raràna,
fa ny foko no adala
ka manivaka tsy tana.

            Ny fitia tsy terena,
            tsy lalao, tsy vazivazy,
            nefa koa tsy hay fefena
            fa mitsimoka ho azy,

            Ny ahy voarara
            ka tsy azoko arahana
            fa lazaina fa tsy tsara
            ka tsy azo tanterahana.

REF.
Ho toneko ny fitiavako
hivalona ao anatiko,
tsy hivolana ny vavako
ambara-pahafatiko.

Hivavaka aho hahery
sy mba ho tony tsara
hitana ho ahy irery
ILAY FITIA VOARARA.

Partager fitia voarara

Commenter fitia voarara

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite