4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitia nangalarina - Henri ratsimbazafy

Eny ho' a!(3 fois) (choeur)

Izaho sy ianao tsy afa-miara-dia
Izaho sy ianao tsy afa-mifankatia
Fa samy efa voatàna voafatotra amin'ny lalàna
Ny hany azontsika atao miafinafina fa sao
Manjary misy rahoraho izay atao

Izaho sy ianao rehefa miara-dia
Izaho sy ianao mitaintaina ery
Mandosindositra mazàna, miala lavitra tanàna
Mitady toerana iray 'zay ahafahana miray
Am-po, an-tsaina, am-panahy tsy miahiahy

Eny, fitia kely angalarina, fitia hita fa tsy marina Kanefa inoana   ankahariana
Eny, fotoana fohy isambarana, minitra vitsy isantarana
Ny paradisa tsy hay fantarina

Dia mikoràna, mifampisafosafo
Avy eo indray miara-misakafo
Dia lasalasa eo ny saina ka manonofy hoe miara-miaina
Anaty tokantrano iray izay tena mamy fahizay
Satria fitia mivaivay no mampiray

Ireo izay mihatsara velatsihy
Dia afaka mitsara antsika sy
Manome tsiny manakiana kanefa anie ka any aoriana
Mba mety ho tia ihany koa ary am'izay angamba moa
Ahatsapàny ny manjo antsika roa

Eny, fitia kely angalarina, fitia hita fa tsy marina Kanefa inoana, angalarina
Eny, fotoana fohy isambarana, minitra vitsy isantarana
Ny paradisa tsy hay fantarina

Partager fitia nangalarina

Commenter fitia nangalarina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite