4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ho anilanao aho - Elsie

Izaho sy ianao

Malaina ny hisaraka

Fa mamy ireo ora niarahana

Ny fotoana anefa tsy hamela antsika hanohy

Ireo nofinofy izay nifanolorana



Ka handeha ianao

Handao ahy lavitra

Nefa mino aho

Ianao tsy hanadino ahy

Ny foko mba tsy tony ilaozanao

Ka aza adinoinao



Na alina na andro no ahatsiarovanao ahy

Ny hirako no kaloy

Fa ho anilanao aho



Izaho sy ianao

Na tsy iray lalana aza

Fa fohy ihany ny fotoana niarahana

Ny fitiavantsika tsy avelatsika ho lo

Ary tsy hangatsiaka

Hiaina hatrany ao am-po

Partager ho anilanao aho

Commenter ho anilanao aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Elsie