4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Eo anilanao - Elsie

Izaho sy ianao

Malaina ny hisaraka

Fa maro ireo ora niarahana

Ny fotoana nefa

Tsy hamela antsika hanohy

Ireo nofinofy izay nifanolorana



Ka handeha ianao

Handao ahy lavitra

Nefa mino aho

Ianao tsy hanadino ahy

Ny foko mba tsy tony hilaozanao

Ka aza adinonao



ref...Na alina na andro

No ahatsiarovanao ahy

Ny hirako no kaloy

Fa ho eo anilanao aho



Izaho sy ianao

Na tsy hiray lalana

Fa fohy ihany

Ny fotoana niarahana

Ny fitiavantsika

Tsy avela tsy hikolo

Ary tsy hangatsiaka

Hiaina hatrany ao am-po



Ka handeha ianao

Handao ahy lavitra

Nefa mino aho

Ianao tsy hanadino ahy

Ny foko mba tsy tony hilaozanao

Ka aza adinonao



ref...Na alina na andro

No ahatsiarovanao ahy

Ny hirako no kaloy

Fa ho eo anilanao aho



------

ref...

Partager eo anilanao

Commenter eo anilanao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Elsie